Fanolorana

Fanolorana

Misy articles maro ho hitanao ato.
Fa izao : vakio tsara ny fanolorana isaky ny sokajin-dahatsoratra. Misy fomba fijery maro samihafa omena anao ato. Fomba fijeriko manokana ireo niainga tamin'ny famolavolan'ny fiainana ahy.
Matetika aho no maneho amin'ny fomba tsy dia katolika loatra ny fahitako ny Fiangonako. Aza gaga ianao fa izany no "fahafahana".

Anjaranao ny mamakafaka ka maka izay tsara faka ka mety hipaka amin'ny fiainanao.

jeudi 13 février 2014

Questions de foi

Ity sehatra iray ity dia fanampiana anao amin'ny finoana. Finoana Katolika. Fanontaniana vitsivitsy momba ny zava-panao ao ampiangonana sy ny manodidina azy. Toy ny hoe : Inona no antony tsy aneken’ny Papa ny fanambadian’ny pretra? Azonao atao tsara koa ny mametraka fanontaniana ato amin'ity blog ity : fanontaniana miala amin'ny katesizy kely sy ny toriteny alahady.
'Ndao ary zatsy izy.
PETITES QUESTIONS DE FOI

  1. Fa maninona no misy Fiangonana maro be eto amintsika ? Ao ny katolika, ao ny protestanta, ao ny sekta?
Ny Fanirian’i Kristy dia ho Tokana ihany ny Fiangonana misy ireo mpanara-dia Azy (Kristianina) araka ny voalazan’ny Evanjelin’i Md Joany 17, 20-21. Nefa, noho ny tsy fitovian’ny fisainan’ny olombelona dia misy olona sahy manorina fiangonana hafa. Izay no antony mampisy fiangonana marobe. Ny tena ratsy dia miady sy mifanenjika ny Kristianina sasany. Nefa Fitiavana no didy nomen’i Jesoa antsika. Efa misy ezaka tsara imasoana amin’izao ao amin’ny F.F.K.M. (eto Mad/kara) sy ny Okomenisma any Andafy mba hiverenan’ny Finoana iombonana indray ka ivavahantsika mba ho tanteraka izany.
  1. Fa maninona no Andriamanitra tokana no ivavahana?
Io Andriamanitra tokana io no tena tsara araka ny finoan’ny Jody, Silamo, Kristianina. Fa manahirana ny fivavahana amin’ny andriamanitra maro toy : ny andriamanitra varatra, orana, ranomasina, hatsaran-tarehy, ... Ny Andriamanitra tokana no mahefa, mahavita ny zavatra rehetra sy mahery kokoa noho ny andrimanitra maro satria ny andriamanitra varatra dia handoro sy hamono fotsiny no vitany fa tsy mahay manome ny soa. Ny andriamanitra hatsaran-tarehy dia ho an’ny olona tia pozipozy sy jejojejo fotsiny no vitany fa tsy mahay manasitrana na manome ny Fanahy Masina. Voafetra ny asan’ny andriamanitra tsirairay ao amin’ny fivavahana misy andriamanitra maro.
  1. Maninona ny Andriamanitry ny Katolika no atao hoe Tokana fa Olona Telo?
Tsy an’ny Katolika ihany io Andriamanitra Tokana Olona telo (Ray, Zanaka, Fanahy Masina) io fa an’ny Kristianina (mpanara-dia an’i Kristy) rehetra. Izay no mampiavaka azy amin’ny Jody sy ny Silamo.
  1. Azo atao ve ny lamesa tsy misy hira?
Tena azo atao. Tsara ny lamesa aty Madagasikara fa sahirana mitady hira hatao amin’ny lamesa isika na dia roa na telo fotsiny. Tsara koa ny lamesa tononina fa manampy amin’ny fandinihana (méditation) sy fohy kokoa. Ilaina foana anefa ny mihira satria “ny mihira hono dia mivavaka in-droa”.
  1. Afaka manao lamesa ve raha Mompera iray fotsiny, tsy misy kristianina?
Ny tena tsara indrindra dia eo ny Mompera sy ny Kristianina. Ny Kristianina ihany tsy misy Mompera dia tsy mahazo manao lamesa, fa fotoam-pivavahana no atao. Taloha dia voadidy hanao lamesa isan’andro ny Mompera. Ka voatery manao lamesa tsy misy mpanatrika izy ireo rehefa tsy misy kristianina. Misy anefa ireo Mompera tsy afaka manao lamesa isan’andro satria sahirana, tsy manam-potoana, manao voyage, gadra, ... ka noferana ho indray mandeha isan-taona farafaharatsiny no tsy maintsy anaovan’ny Mompera lamesa. Ka na mahita na tsy mahita Kristianina kosa izy amin’io dia tsy maninona fa afaka manao lamesa ihany.
  1. Inona no antony tsy aneken’ny Papa ny fanambadian’ny pretra?
Nanambady ny Apostoly sasany taloha. Ohatra i Md. Piera dia voalazan’ny Evanjely fa nanana Rafozana (Lk 4, 38 – 39). Fa rehefa hitan’ny Fiangonana ny olana sasantsasany momba ny fanambadian’ny Pretra sy ny Eveka (tsy tena malalaka amin’ny fanompoana ny fiangonana izy ireo fa variana amin’ny tokatranony...) dia nanapa-kevitra izy fa tsaratsara kokoa raha tsy manambady ny Pretra. Ary tokony ho tadidintsika foana fa zanaky ny pretra daholo ny kristianina tantaniny.

  1. Inona no fianarana atao vao tonga pretra?
Ny filozofia sy teolojia no tena fototra. Ilaina koa anefa raha mandalina ny pastoraly sy ny psikolojia, ny sosiolojia, ny ekonomia ... ilay seminarista mba tsy hitsanga-menatra eo anatrehan’ny Kristianina manatona azy.
  1. Fa maninona no manao rakitra isan-kalahady kanefa ny masera sy ny mopera tsy mba manao rakitra?
Tokony hanao rakitra ny mpivavaka rehetra fa misy faritra sasany mety hahitantsika fa tsy manao rakitra ny mompera sy ny masera. Tsy fantatra ny antony. Efa misy masera sasantsasany anefa manao rakitra ao an-deglizy. Fa rehefa mamonjy an’ireny Fivavahana firaisam-pinoana ireny isika dia hahita fa manao rakitra izy ireo. Fandraisan’anjaran’ny kristianina amin’ny fandaminana sy ny fandaniana ao amin’ny fiangonana iray no antony anaovana rakitra. Fanomezana ho an’Andriamanitra no ilazantsika sy andinihantsika azy.
  1. Maninona ny fivavahana katolika no tsy mba misy fiovana fa toa lasa fomba fotsiny (hira fidirana, fifonana, vakiteny...)
Misy roa ny litorjia katolika malaza : ny iray atao hoe : “Rite latin” dia ny arahintsika katolika aty Madagasikara ary ny iray dia “Rite byzantin” hita ataon’ireo katolika any Bulgarie, Moscou, ... Mivelona amin’izany litorjia roa izany ny Katolika eran-tany izay antsoin’i Papa Joany Paoly faha-2 hoe “deux poumons”. Efa heno koa izao fa manana ny Rite manokana ho azy ny Kongolé, nefa mbola tsy malaza.
  1. Maninona no tsy maintsy mikôfesy vao mandray komonio, kanefa ny komonio dia natao indrindra ho an’ny mpanota te hibebaka?
Tena marina ny teninao hoe natao ho an’ny mpanota te hibebaka ny komonio. Fa tsy ny komonio no sakramenta ibebahany fa ny konfesy. Ilaina ho madio sy mendrika ny olona vao mandray komonio. Ka raha ohatra tsy nanao fahotana izy taorin’ny konfesy farany nataony dia tsy voatery hikonfesy vao ho afaka mandray komonio. Hoy i Md Paoly hoe “mihinana fanamelohana izay mihinana komonio tsy am-pahamendrehana”.
  1. Maninona no atao hoe “mofo tsy misy lalivay”?
Lafarinina tsy mifangaro lalivay (lévure) no anamboara ny komonio mba hampaharitra ny fitahirizana azy. Andrana efa natao tamin’ny andron’ny Jody izany mofo tsy misy lalivay izany fa tena naharitra tokoa ho an’ireo mpandeha na mpifindra monina. Heverina ho fandalovana koa ny eto an-tany ho an’ny Kristianina ka mihinana mofo tsy misy lalivay izy.
  1. Maninona no misy fanasana tanana ataon’ny pretra amin’ny lamesa kanefa tsy misy zavatra maloto raisina akory?
Taloha dia eo amin’ny fotoanan’ny fanolorana vao omanina ny fitaovana rehetra ilaina amin’ny sorona (mbola ampiasain’ireo Katolika mpanaraka ny Rite byzantin izany). Ka mila sasana satria naloto ny tanana. Mbola notazonina izany fomba izany hanehoana (symbolisme) fa mila tsy misy tsiny ny Mpisorona eo am-panaovana ny Sorona. Mandritra ny fanasan’ny Pretra tanana eny amin’ny Otely dia hoy izy “Sasao aho ry Tompo ho afaka heloka tanteraka (sady anidinana rano ny tanany) ary diovy ho afaka amin’ny fahotako (fafana amin’ny lamba ny tanany). (Jereo : Salamo 50, 4 sy F. V. p. 343).
  1. Maninona ny katolika no tsy mba manao fanentanam-bahoaka ivelan’ny fiangonana sy ny katesizy?
Manao fanentanam-bahoaka tokoa ny katolika ivelan’ny fiangonana tahaka ireny hoe dia masina na pélèrinage ireny na hoe ireny “procession” mamakivaky tanana ireny rehefa amin’ny fotoana natokana ho amin’izany. Tsy fomban’ny (tsy tradition) katolika kosa anefa ny mitory teny eny ankalamanjana na eny an-tsena. Tsotra ny antony satria heverina fa ny fandraisana ny Vaovao Mahafaly dia mila toerana mangina sy tony fa Andriamanitra tsy re ao anaty tabataba.
  1. Vidiana ve ny komonio sy ny divay? Izany ve no anaovana rakitra?
Vidiana tokoa ny Hostia manjary komonio sy ny divay satria vokatra toy ny sakafo rehetra. Matetika dia any Fianarantsoa sy Antananarivo no fividianana ny hostia. Azo anaovana lamesa rehefa divay azo avy amin’ny voaloboka (ihany) toy ny Lazan’ny Betsileo, Blanc de Manamisoa, Côte de Fianar. (fa tsy punch avy amin’ny voanio, na toaka avy amin’ny kily sy ny lamonty).  Isan’ny anton’ny anaovana rakitra noho izany ny fividianana azy.
  1. Fa maninona ny kristianina no asaina mamelona ny pretra kanefa ny pretra manana noho ny kristianina?
Ny fiangonana dia an’ny kristianina. Ny pretra dia toy ny mpiasa fotsiny ihany satria mandalo izy no eo fa ny kristianina mipetraka. Anjaran’ny kristianina noho izany no manao izay mampandeha ny fiangonana, isan’izany ny famelomana ny pretra. Ny pretra dia alefan’ny diosezy na ny fiangonana mba hamelombelona ny fiainam-panahin’ny kristiana. Misy fanampiana omen’ny diosezy na ny fikambanana kanefa voafetra ihany izany. Tokony ho ny kristianina noho izany no hiahy ny fiainana andavan’andron’ny pretra araka izay ilainy sy zakan’ny fiangonana eo an-toerana.
  1. Maninona no tsy mba vakiana ao am-piangonana ny boky sasany ao amin’ny Baiboly?
Azo vakiana ao ampiangonana daholo rehefa ao amin’ny Baiboly saingy tsy ho vita vaky daholo ny boky 72 sy ny Toko, ka tsy maintsy nosafidianina izay mety ho mora azon’ny tsirairay sy tena manampy ny finoana amin’ny andavanandro. Misy boky tsy maintsy arahina fampianarina mihintsy vao azon’ny akamaroan’ny kristianina ka ilàna fotoana manokana satria tsy vita eo amin’ny toriteny. Ny anentanana ny kristianina dia ny hamonjy ny fandalinanm-pinoana izay azo hanazavana ireny sy ny fampianaran’ny fiangonana.
  1. Maninona ny katolika no tsy mba mitondra baiboly rehefa mivavaka?
Miankina amin’ny fahazaran’ny tsirairay ny fitondrana na tsy fitondrana ny baiboly rehefa miangona. Misy ihany mpino katolika mitondra baiboly rehefa mivavaka. Marihina ihany koa anefa fa ny vakiteny rehetra hovakiana ao am-piangonana dia efa natao amin’ny boky manokana ka efa fantatra an-taona maro mialoha. Ny anentanana ny isan-tokatrano dia ny hanana baiboly an-trano sy ny mba hamaky izany miaraka na samirery.
  1. Divay toy inona no anaovana lamesa?
Tsy dia voafaritra hoe divay toy inona no anaovana ny lamesa ankoatry ny hoe tsy maintsy vita amin’ny voaloboka. Misy ihany anefa kritika pratika tsy maintsy tokony hotandremana toy ny hoe tokony tsy divay ambony be ny alikaola ao aminy ary tsy nasiana akora simika hafa ivelan’ny mahadivay ny divay. Isan’izany koa ny hoe tokony ho divay tsy miloko mena na manompy mena be loatra satria mandoto ny lamba famaohana ny loko simika.

  1. Inona no asan’ny pretra ankoatry ny lamesa?
Ray aman-dreny ny Pretra ka mpisorona, mpampianatra, mpanoro hevitra, mpanabe, mpandamina, mpamelona, mpanentana, ... no ataony. Diso kosa anefa ny mieritreritra fa lasa tahaka ny lakile “passe par tout” ny pretra.
  1. Inona no antony ananganan’ny pretra tanana rehefa miteny eny amin’ny otely?
Amin’ny vavaka ihany ny Pretra no manangan-tanana fa tsy amin’ny toriteny na filazana ... Ny dikan’izany fananganan-tanana amin’izany vavaka izany dia famantarana ny fitalahoana, fangatahana, fisolohoana ... Jereontsika ao amin’ny Eksaody 17, 8 – 13 : “Raha nasandratr’i Moizy ny tanany dia i Israely no nahery”. Manambara fangatahana hery avy amin’Andriamanitra ny fanandratana ny tanana. Misy koa ny Pretra manandra-tanana toy ny olona mifantsika amin’ny hazo fijaliana. Endrik’i Jesoa (persona Kristy) nijaly sy maty teo ambony Hazo fijaliana, mitondra ny fijalian’ny olombelona any amin’Andriamanitra ny Pretra.
  1. Maninona no hasarotina (be pitsopitsony) ny fandraisana ny olona amin’ny sakramenta, indrindra ny batemy sy ny mariazy?
Mety ho misy tokoa ny Pretra na mpiandraikitra ny Sakramenta manasaro-javatra. Mety ho misy antony izany : tsy mazoto mivavaka alahady, na tsy mandray adidy ao am-piangonana. Fa  ny tena ilaina dia ny hoe voaomana tsara ara-pinoana sy manam-pinoana handray ilay sakramenta ve ilay olona? Misy kosa anefa ny taratasy na dossiers tsy maintsy ilaina amin’ny Sakramenta iray. Moa ve ho lazaina hoe sarotiny ilay Pretra raha toa ka tsy misy ny “Acte de baptême” rehefa hanao mariazy izy mivady?
  1. Sakramenta ambony indrindra ve ny “filaharana” sa mitovy lanja amin’ny “mariazy”?
Amin’ny sakramenta dia tsy misy ambony sy ambany. Na ny filaharana na ny mariazy dia sakramenta samy iantsona ny olona hiaina ny fahamasinana. Mampiavaka ny pretra anefa ny maha-mpisoron’ny Avo Indrindra azy satria fanomezam-pahasoavana manokana izany. Ao aminy manko no tanterahin’i Jesoa Kristy ny fisiany. Ny mampiavaka ny filaharana ihany koa dia noho ny hevitra omena ny “célibat” ao aminy. Mifanohitra amin’ny natiora manko izany ka ilàna olona voatokana sy vonona hanokana ny tenany sy ny filàn’ny nofony hitodika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fiangonana. Samy ady sarotra na ny manaja vady tokana ho an’ny mpivady ao amin’ny mariazy na ny manaja ny selibà ho an’ny pretra.
  1. Tsy maintsy lehilahy ve vao mety ho pretra?
Hatramin’izao aloha ny fahazaran’ny fiangonana (tradition) Katolika dia mamaritra hatrany fa ny lehilahy ihany no afaka miofana ho pretra na dia efa betsaka aza ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny vehivavy ho pretra. Misy Pretra, na Eveka ny vehivavy any amin’ny Fiangonana Anglikana. Misy mahatsara azy izany fa misy olana ihany koa. Mety hisy vehivavy mahay teolojia sy afaka mampiofana amin’ny sakramenta na mahay manazava evanjely mihoatra noho ny Pretra. Fa ny lehilahy no tsara hatao Mpisorona.
  1. Maninona no misy fikambanan-drelijiozy isan-karazany kanefa matetika mitovitovy daholo ny ataony : mampianatra, mitaiza kamboty...?
Fanomezam-pahasoavana manokana ny fiainan-drelijiozy. Tsy ny asa ataony no mamaritra ny maha izy azy fa ny fikatsaham-pahamasinana atao miankina amin’ny fototra nanorenana azy. Tsara aza fa maro ny  fikambanan-drelijiozy miorina mba ho maro ny mpanokan-tena ho selibatera noho ny fahasoavana manokana azo aminy.
  1. Inona no fianarana manokana ataon’ny vehivavy vao tonga masera?
Tsy dia misy fianarana manokana tena atao fa miankina amin’ny fikambanana tsirairay. Ao ny fampahafantarana ny momba ny fikambanana, ao ny fampianarana momba ny fiainam-pinoan’ireo modely tokony iainana. Fa ny tena betsaka dia ny fianarana an’i Jesoa Kristy sy ny finoana. Na izany aza anefa dia misy fotoana angatahin’ny fiangonana tsy maintsy vitaina raha fohy indrindra vao aroso ho masera ny tanora iray. Ampianarina azy ireo amin’izany ny fomba fiainana ny tokan-tena (célibat) ao anatin’ny finoana sy ny fivavahana.
  1. Ny otely koa ve vatan’i Kristy?
Kristy tokoa ny otely. Araka ny voalazan’ny fampianaran’ny fiangonana dia sady Mpisorona no Otely anaovan-tsorona ary Zanak’ondry atao sorona i Jesoa Kristy (Jereo Boky fanaovan-damesa Prefasy Paka 5). Satria tsy misy olombelona mendrika ny iray amin’ireo afa tsy izy irery ihany.
  1. Maninona no atao hoe “zanak’ondrin’Andriamanitra” fa tsy natao zanaka biby hafa?
Manahirana tokoa izy io amin’ny tany sasany fady ondry toy ny faritra vezo. Ny ondry anefa no biby fiompy nalaza amin’ireo Israelita, fanaovana sorona (Inona ny biby nasolon’i Abrahama an’i Isaaka rehefa ho natao sorona ity farany?), biby bonaika, tsy ahitana fitarainana loatra ny ondry. Toy izany i Kristy tamin’ny andro nanolorana azy hatao Sorona ho famonjena antsika.
  1. Tena marina ve fa ny evanjely efatra ihany no milaza ny marina ny amin’ny fiainan’i Jesoa?
Ireo no ahitana porofo mivaingana, niara-niaina tamin’i Jesoa. Marina fa misy ireo antsoina hoe “Apocryphe” izay boky mitantara ny fiainan’i Jesoa saingy tsy mitondra fanamafisana ny finoana ho antsika fa mitantara fotsiny ny zava-nisy tamin’izany.
  1. Maninona no tsy misy lamesa rehefa firaisam-pinoana?
Mbola misy tsy fitovizana fomba fijery ao amin’ny samy finoana. Ohatra, ny Katolika mandray isaky ny misy lamesa fa ny F.L.M. mandray isam-bolana ihany. Ohatra koa ny hoe tsy mitovy ny finoana ny mofo sy ny divay ho vatana sy ran’i Kristy. Ho antsika katolika dia tsy maintsy mofo tsy misy lalivay sy divay (azo avy amin’ny voaloboka) no hanaovana lamesa fa ho an’ny sasany azo soloina bisiky sy ranom-boankazo hafa.
  1. Midika inona marina ny lokon’ny akanjon’ny pretra?
Fotsy ampiasaina amin’ny Fety Noely sy Paka ary fankalazana ny Olomasina. Mena ampiasaina amin’ny Firaisam-pinoana (satria tsy manana loko hafa ny Pastora), Sampakazo, Pantekoty, amin’ny fankalazana ny Martiry. Maitso ampiasaina amin’ny andavanandro. Volom-parasy : ampiasaina amin’ny Fiaviana sy Karemy, fandevenana.
  1. Mitovy ve ny manatrika lamesa amin’ny televiziona sy ny any ankalamanjana kanefa sur “écran-géant”? Izany hoe manatrika ny lamesa saingy lavitra ka voatery mijery écrant géant?
Tsy mitovy na dia samy vavaka aza. Tsy mandray komonio, tsy mahazo tso-drano mivantana ny mijery lamesa amin’ny televiziona any an-trano. Ary tsara foana ny hilazana fa ny tena zava-dehibe amin’ny lamesa katolika dia ilay fiombonana (miaraka mihira, mitsangana, miara-mamaly ny vavaky ny pretra...) indrindra.
  1. Mety ve raha ohatra ka mamaky vakiteny fotsiny dia mandray komonio ny kristianina andavanandro?
Raha tsy misy Pretra eo an-toerana, nefa misy olona nahazo fahefaha avy amin’ny Pretra hamapandray komonio dia azo atao ny mamaky ny Tenin’Andriamanitra avy eo manao ny Rainay any an-danitra dia tohizana amin’ny fandraisana komonio.
  1. Aiza ao amin’ny tenin’ny Jesoa ao amin’ny Baiboly no misy ny teny hoe “Lamesa”?
Ny teny hoe Lamesa dia avy amin’ny teny frantsay La messe, izay avy amin’ny tenin’ny Diakra hoe : “Acta missa, ite in pace” izay adikantsika Malagasy hoe “Vita ny natao, mandehana am-piadanana” fa nosoloantsika hoe : Hitantana ny diantsika anie i Kristy, any amin’ny faran’ny lamesa. Ka io “Missa” io no tadidy dia raikitra ho anaran’ny lamesa. Amin’ny teny frantsay dia hazavaina toy izao : “Acta missa, ite in pace” se traduit par “Ce qu’on avait à faire est accompli, allez en paix”. A partir du VIème Siècle “Missa est” ( l’action est accomplie), est attestée comme formule de renvoi. Aujourd’hui, le participe missa est devenu un nom commun : la messe. Noho izany tsy hita ao anatin’ny Baiboly ny teny hoe : Lamesa.
  1. Maninona no amin’ny Paka ihany no misy fanasan-tongotra?
Amin’ny Alakamisy masina no marina kokoa, ho fahatsiarovana ny nanasan’i Jeso ny tongotry ny Apostoly. (Jereo Ev. Joany 13, 5 – 11) Fa azontsika atao ny manasa tongotra isan’andro, indrindra rehefa maloto io tongotra io, ho fitandroana ny fahasalamana sy tsy hahamenatra olona.
  1. Misy dikany amin’ny finoana ve ny hilazana fa teraka tany an-tranon’omby i Jesoa fa tsy tahaka ny zanak’olom-belona rehetra?
Ny fahantrana, fanetren-tenan’Ilay Zanaka’Andriamanitra hatrany amboalohany vao teraka ka hatramin’ny fahafatesany no ambara amin’ny fahaterahany tao antranon’omby sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazofijaliana.
  1. Tamin’ny fotoana inona sy inona avy no nahatonga ny fiangonana hamaritra ny “Izaho mino”?
Nisy voalohany ny atao hoe : symbole des Apôtres tamin’ny taonjato faha-2 sy nohatsaraina tamin’ny taonjato faha-6.
Nanarakaraka azy ny symbole de Nicée izay vokatry ny Konsily tao Nicée any Asie-Mineure tamin’ny taona 325 mba ho fanoherana ny hevi-dison’i Arius izay milaza fa tsy Andriamanitra i Jesoa. Nanamafy izany ny Konsily tany Constantinople tamin’ny taona 381 ka nilaza fa Andriamanitra koa ny Fanahy Masina. Izany no nahazoana ny anarany hoe : symbole de Nicée-Constantinople.
  1. Maninona ny lahika no tsy mba ampianarina ny teolojia na tsy hanao pretra aza?
Afaka mianatra teolojia tokoa ny lahika na tsy ho pretra aza. Misy toerana natao ampianarana azy ireo. Matetika anefa dia vitsy ny lahika katolika mifidy io sampam-painarana io satria tsy hahitana asa izany. Eto amintsika koa mbola tsy eken’ny fanjakana ho diplôma eny amin’ny onivesité izany. Izany no mahatonga ny lahika tsy hanao io sampam-pianarana io.
  1. Rehefa manao ahoana no atao hoe matotra ara-pinoana ny kristianina ka afaka mampianatra katesizy?
Rehefa nahavita ny fiofana amin’ny Sakramentan’ny Batemy, Komonio, Konfesy, Fankaherezana ny olona iray dia irahin’ny Eveka ataony hoe : “Homba anao anie ny Fiadanana”. Teny fanirahana hampita ny Finoana amin’ny fianakaviana, zanaka, namana, mpianatra katesizy io. Noho izany efa matotra ara-pinoana ianao ary mahazo mampianatra katesizy ianao rehefa nahazo an’ireo sakramenta fototra ireo.
  1. Tokony hanao fisitahana masina ve ny kristianina?
Ny fisitahana masina dia natao ho an’ny kristianina rehetra te hifandray bebekokoa amin’Andriamanitra. Tsy maintsy miala amin’ny fanao andavanandro anefa izany mitady an’Andriamanitra manokana izany. Mamelombelona ny finoana sy ny fifankahazoana amin’Andriamanitra ny fanaovana izany ka anentanana foana ny kristianina rehetra. Tsy voatery hisy fandaniana be vao mahavita fisitahana masina. Afaka maka mpitarika relijiozy, pretra na lahika ihany koa. Raha tsy manana fotoana dia matetika alohan’ny fotoan-dehibe eo amin’ny fiainana no hanaovana izany : na fiainan’ny fiangonana na fiainana andavanandro.
  1. Inona sy inona no ilaina vao olomasina ny olona iray? Ary maninona no tsy maintsy rehefa maty ihany vao mety ho olomasina?
Tsy maintsy aorian’ny fahafatesana tokoa vao azo eritreretina ho olotsambatra aloha ny olona iray. Raha mbola velona manko izy dia mety mbola hisy fitrangan-javatra hafa eo amin’ny fiainana mety hampisalasala. Mety hiova tampoka koa ny fomba fiainany ka hanafitohina ny olona.
Isan’ny jerena amin’ny fiainan’ny olona eritreretina tokony ho olotsambatra sy olomasina  ny fomba fiainany ara-pinoana sy andavanandro raha mifanaraka ny mahakristianina ka azo atao modely. Jerena toy izany koa ny firehan-keviny (indrindra raha nanoratra izy na nampianatra) sao mifanohitra amin’ny fijerin’ny Fiangonana. Raha ny marina dia tokony ho modely izy ho an’ny kristianina amin’ny lafiny rehetra.
Mbola angatahina fahagagana tsy azon’ny siansa hazavaina ary izy amin’izany satria ny fahagagana toy izany dia heverin’ny fiangonana fa avy amin’Andriamanitra irery ihany. Ka ny kristianina rehetra dia entanina hangataka fahagagana amin’izany olona izany rehefa mivavaka.
  1. Inona sy inona no zavatra andrasana vao ekena ampahibemaso fa niseho marina i Masina Maria?
Ny fiangonana dia tsy mitady porofo ivelan’ny fiombonana raha misy sehon-javatra toy izany. Izany hoe raha misy lazaina fa fisehoana dia andrasan’ny fiangonana an-taonany maro vao lazainy fa azo ekena izany. Andrasany amin’izany ny hafanam-pon’ny kristianina mamonjy ilay toerana na manatanteraka izay voalazan’ny fisehoana : manao pelerinazy na mandeha mivavaka eny. Ao anatin’izany koa ny hoe misy fahagagana tsy voazava ara-tsiansa miseho noho ny fanatontosana fangatahana na fivavahana tamin’io toerana io.
  1. Maninona no i Masina Maria foana no lazaina fa miseho?
Izy no malaza ho mpiseho. Mba miseho amin’ny nofy koa ry Dadabe sy Rafotsy nefa vetivety dia hadino ny fisehoany sy hafatra navelany. Fa ny an’i Masina Maria kosa dia tena mandaitra amin’ny fiainana andavanandro ny hafatra navelany. Io hafatra napetrany io no tena zava-dehibe. Misy toerana sasany izay lazaina hoe nisehoan’i Masina Maria, nefa tsy nisy hafatra nolazainy dia mihalefy ho azy ny herim-pon’ny olona izay mandeha any.
  1. Mivavaka tahaka ny sekta ny karismatika katolika, fa maninona?
Mila jerena akaiky tokoa hoe mitovy ve ny fivavahana ataon’izy ireo, ary jerena koa ny lafitsarany. Raha mitondra ainga vao ho an’ny finoana ny fomba fivavaka dia ataoko fa tsy lavin’Andriamanitra ny vavaka atao amin’izany.
  1. Inona no sazy omena izay meloka ao amin’ny fiangonana?
Voalohany indrindra dia ny famelan-keloka no fahasoavana omen’Andriamanitra antsika. Rehefa manizingizina tsy handray izany famelan-keloka izany isika vao mety hisy ny fanamelohana raha misy hadisoana natao. Ny “droit canon” no mamaritra izany.
  1. Eken’ny fiangonana katolika ve raha manambady olona hafa finoana ny katolika? Sekta ohatra? Inona no zava-mitranga?
Tsy raran’ny Fiangonana katolika velively ny fifankatiavan’ny olona. Ny tadiaviny aza dia ny tsy hisarahana fa izany no venti-kevitry ny Sakramentan’ny Mariazy. Koa mba ho fiarovana an’izany dia mampitandrina sy mailo ny fiangonana raha manambady hafa finoana ny zanany. Sao dia hisy ady, fifanenjehana ara-pinoana ao an-tokantrano raha toa ka tsy mitovy hevitra sy finoana ny mpivady.
  1. An’iza marina ny fiangonana : an’ny pretra sy ny relijiozy ve sa an’ny kristianina.
Kristianina koa ny Pretra sy ny Relijiozy fa natao ho mpitarika an’ireo Kristianina namany. Koa samy tompon’ny Fiangonana ny kristianina rehetra. Ny fanontaniana dia mety ho azo adika hoe : inona no hatao raha tsy mifanara-kevitra ny Pretra sy ny Relijiozy, ny Komitim-piangonana ary ny laika ao amin’ny Fiangonana? Ny voalohany dia tadiavina ny olana mitranga. Dia iarahana mamaha. Ny Eveka no itadiavana vahavaolana farany raha tsy mety vita ny adihevitra.
  1. Raha mamo (efa miboredika) ny pretra manolotra sorona, misy dikany ve ny sorona ataony?
Enga anie mba tsy hisy izany. Aleo avela hiala sasatra izy raha mamo, heverina ho toy ny olona tsy salama rehetra. Mety hisy ny Pretra sasany hihevi-tena fa afaka manao lamesa, nefa hita eny antenantenany eny fa manao “crise” izy (crise cardiaque, jamba tampoka, fanina, mamo ...) dia esorina eny ambony Otely izy mba tsy hanafintohina ny Kristianina. Itadiavana vahaolana hafa raha izany no mitranga, mba tsy ho tonga amin’ny hoe “misy dikany ve ny sorona ataony”.
  1. Azo atao ve ny mivavaka any amin’ny fiangonana hafa ankoatry ny katolika rehefa alahady, noely, na paka?
Raha tena ka tsy afa-manoatra mihintsy dia azo atao ny miditra miara-mivavaka amin’ny fiangonana hafa. Entanina anefa mba ho ny fiangonana iray fiombonana amin’ny katolika dia ny ao amin’ny FFKM (FLM, EEM, FJKM) aloha izany hatramin’izao. Fady ho an’ny katolika kosa ary tena tsy azo atao ny miditra amin’ny fiangonana antsoina fa “secte”.
  1. Mitovy lanja amin’ny mariazy ve ny voadin’ny relijiozy?
Tsara azavaina fa ny voadin’ny relijiozy dia tsy sakramenta. Noho izany tsy manana ny lanjan’ny mariazy. Kanefa kosa amin’ny maha samy “engagement” ireo fomba roa ireo dia samy manana ny lanjany izy satria samy antsoina ho amin’ny fahamasinana na ny relijiozy selibatera na ny mpivady nanaiky hifanaja eo anatrehan’ny Fiangonana sy Andriamanitra.
  1. Afaka mandray any amin’ny protestanta ve ny katolika
Tsy amporisihina hanao izany ny katolika satria tsy mitovy ny fomba fijery ara-teolojika amin’io lafiny fiovan’ny mofo sy ny divay ho tena vatan’i Jesoa Kristy io. Transsubstanciation no fiantsoana izany amin’ny fiteny teolojika ao amin’ny katolika.
  1. Afaka mandray komonio amin’ny katolika ve ny ao amin’ny FFKM?
Tsy afaka mandray komonio amin’ny katolika na iza na iza izy rehefa tsy vita komonio voalohany tao amin’ny katolika ka manaiky marina ny fiovan’ny mofo sy divay ho tena vatan’i Kristy fa tsy sarisary fotsiny.
  1. Tena noharian’Andriamanitra tao anatin’ny fito (7) andro tokoa ve izao tontolo izao sa fomba fiteny fotsiny?
Tsy boky siansa ny Baiboly fa literatiora. Manana ny fomba filazany zavatra miavaka amin’ny siansa ny literatiora. Ka tsy holazaina hoe tsy tena nisy marina ny fahariana ao anatin’ny fito andro satria tsy azo porofoina. Raha mahita isika ao amin’ny Baiboly (Salamo 90 (89), 4) hoe “ Fa eo imasonao, ny arivo taona, dia tahaka ny andro omaly” dia hilaza hoe tsy voafetran’ny fotoana Andriamanitra. Mety hoe : 7 x 1.000 taona no nahariany an’izao tontolo izao. Ny siansa dia milaza fa manaraka fivoarana ny fisian’izao tontolo izao ka ny olombelona no zava-baovao farany hatramin’izao. Mitovy amin’ny filazan’ny Baiboly ihany koa izany.
  1. Maninona no misy fifonana alohan’ny vakiteny ary misy fifonana alohan’ny komonio?
Satria heverina fa alohan’ny hihainoana ny tenin’Andriamanitra dia mila fahavonona sy fahadiovam-po, toy izany tsisy hafa koa ny alohan’ny komonio. Satria fandraisana an’Andriamanitra ireo fa ny iray Izy amin’ny Teny ary ny iray Izy amin’ny Vatana.
  1. Tsy maintsy ny hira fidirana sy ny hira farany ve vao manomboka sy vita ny lamesa?
Hatramin’izao aloha dia tsy mbola misy endrika litorjia hafa ankoatr’izany ao amin’ny fiangonana. Azo atao anefa rehefa vitsy loatra ny olona na noho ny antony hafa (tsy misy mahay mihira ny olona vitsivitsy tonga manatrika) dia foanana ny hira rehetra fa tsy ny hira fidirana sy hira farany fotsiny.
  1. Azon’ny pretra atao ve ny mitarika lamesa tsy misy “étole” na tsy misy rebareba?
Ny Teny farantsay manao hoe “L’habit ne fait pas le moine”. Nefa mba hahatsara zavatra dia ilaina ny Aube sy ny Etole. Nisy Pretra iray nanadino ny kitapony rehefa nanao lamesa tany amin’ny tournée. Lasa niverina naka an’io kitapo io ny stagiaire iray fa ny lamesa kosa dia natomboka. Ka rehefa tonga izy dia niankajoan’ilay Pretra ny Aube sy ny Etole fa ny lamesa kosa notohizana na dia efa misasaka, tonga amin’ny fotoanan’ny rakitra aza ny fivavahan’ny Kristianina.
  1. Azon’ny lahika, frera (tsy diakra), masera atao ve ny mitarika “absoute” tsy misy lamesa?
Ny “absoute” dia vavaka fanaovam-beloma ataon’ny velona ho an’ny maty ary fangatahana amin’Andriamanitra mba handray ny mandeha. Matetika dia heverin’ny olona tompom-pahoriana fa somary latsa-danja izany raha tsy ny pretra no manao azy. Marihina anefa fa azon’ny rehetra atao ny “absoute” rehefa nahazo alalana avy amin’ny pretra.
  1. Maninona ny anarana amin’ny batemy no tsy maintsy amin’ny teny frantsay?
Tsy voatery ho anarana frantsay ny anarana amin’ny batemy fa misy anaran’olona amin’ny batemy amin’ny teny samihafa (oh. Miguel (portugais) = Michel (français) = Mickael (anglais) = Mikel ... Efa misy ireo ray aman-dreny manao ny anara-masin’ny zanany ho RASOAMANARIVO raha vehivavy, efa ho azo atao koa ny hoe RAFIRINGA raha lehilahy.
  1. Raha vohoka tsy nirina, ka tiana alàna dia hatramin’ny ora fahafiry tao aorian’ny firaisana no atao hoe manala zaza ny olona iray ho an’ny fiangonana?
Ho an’ny Fiangonana katolika dia lazaina fa efa olona ny ao ankibon-dreniny na dia segaondra iray tao aorian’ny fitsahina aza. Ka noho izany dia sokajiana manala zaza foana rehefa manao izany fomba mamohetra izany.
  1. Azo tapohina ve ny ranovoahasina ka mijanona ny fahamasinany?
Raha azo atao dia atoroy ny Pretra sy ny Eveka ny rano mba ho hamasinina. Fa raha tsy eo izy ireo nefa ho lany ny ranovoahasina dia tampohy, fa aoka mba ho rano madio.
  1. Rehefa amin’ny fotoana inona no mivadika ho zava-masina ny fitaovana ampiasaina ao am-piangonana?
Izay nohamasinina no manjary zava-masina. Izay natolotra ho an’Andriamanitra dia heverina ho zava-masina avokoa. Koa satria ampiasaina ho fanompoana an’Andriamanitra ireny dia heverintsika fa masina. Ny masina eto dia tsy hoe “saint” fa “sacré”.

  1. Ahoana no nandaharana ny filaharan’ny boky ao amin’ny Baiboly?
Mizara roa ny Baiboly : Testament taloha ( misy 46 boky) izay voasoratra tao anatin’ny 2.000 taona talohan’i Jesoa sy Testamenta vaovao (misy 27 boky). Ao amin’ny Testament taloha dia ahitana ny boky (5) dimin’i Moïzy, bokin’ny tantara (16), bokin’ny fampianarana (7); (torohevitra sy ny anatra), bokin’ny faminaniana (18). Ao amin’ny Testamenta vaovao (misy boky 27) izay voasoratra tao anatin’ny 70 taona manaraka ny nahaterahan’i Jesoa Kristy no ahitana ny Evanjely (4), ny Asan’ny Apostoly (1) Taratasin’ireo Apostoly (14 an’i Md Paoly, 1 an’i Jakoba, 2 an’i Md Piera, 3 an’i Md Joany, 1 an’i Joda ary 1 ny Apokalipsan’i Md Joany.
  1. Inona no nampiasain’ny kristianina fony mbola tsy nisy ny baiboly?
Efa nisy talohan’ny finoana kristianina ny Baiboly. Nampiasa ny Testamenta Taloha ny Jody tamin’ny andron’i Jesoa, na dia mbola tsy nisy Kristianina tamin’izay. (Tadidio ny famakian’i Jesoa ny Bokin’i Izaia tao amin’ny Sinagoga “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo fa nanosotra ahy hitory Teny soa mahafaly ...”). Fa ny Testamenta vaovao no mbola tsy nosoratana fa notorina ambava ny hafatra nambaran’i Jesoa. Ary izay no tena nilaina : tsy nanoratra i Jesoa mba hampitany ny Tenin’Andriamanitra, fa nihaino azy ny olona. Mora tadidin’ny olona ny hafatra raha torina, fa mba tsy hahavery azy dia aleo nosoratana am-boky.
  1. Inona no ilàna ny “moine” sy ny relijiozy “karmelita”?
Ny mpitoka-monina (izany no fiantso azy ireny) dia nanoka-tena hiala amin’ny fiainana mahazatra ny olona an-davan’andro ka manaiky ny tsy hanao zavatra afa tsy zavatra roa ihany dia ny miasa sy ny mivavaka. Ny asa ho azy ireo dia manambara ny mahaolona; ny vavaka koa dia torak’izany ka atolony ho an’ny olona rehetra eto an-tany ny vavaka ataony.
  1. Mitovy ve ny mandray hostie fotsiny sy ny mandray divay fotsiny?
Mitovy tsy misy valaka ny mandray an’i Jesoa na amin’ny endriky ny mofo na amin’ny endriky ny divay. Mora zaraina amin’ny olona kokoa anefa ny mofo raha oharina amin’ny divay ka izany no mahatonga antsika hihinana ny mofo matetika. Moramora vidy ihany koa ny mofo noho ny divay.
  1. Ambonimbony kokoa ve ny lamesa atolotry ny eveka noho ny atolotry ny pretra?
Tsy misy lamesa ambony na ambany eo anatrehan’Andriamanitra. Eo amintsika olombelona no mametraka izany. Ny eveka dia lehiben’ny pretra ary solontenan’Andriamanitra mivantana satria mpiandry ondry eo amin’ny diosezy. Tsy midika akory izany fa ambony kokoa noho ny lamesa atolotry ny pretra ny lamesa atolony.
  1. Inona no dikan’ny lakolosy kely velomina amin’ny fanandratana ny hostia sy ny divay?
Taloha araka ny tantaran’ny fiangonana dia misy maromaro ny efitra kely tao am-piangonana nanaovan’ny pretra tsirairay lamesa. Tamin’ny teny latina ny lamesa ary mbola tsy nitodika tamin’ny vahoaka ny pretra mpitarika fa mimonomonona irery eo amin’ny hotely ka betsaka no tsy mahazo izany fa manao vavaka irery eny am-pitoerana, samy maka ho azy : manao toko sapilé ohatra.  Rehefa tonga eo amin’ny fankamasinana dia velomina ny lakolosy kely mba hanairana ny olona fa fotoanan’ny fankamasinana izao.
  1. Misy taonany na fepetra hafa  ve ny pretra vao afaka mampikôfesy?
Amin’ny fotoanan’ny Ordination na fanamasinana no anomezan’ny Eveka ny fahefa hampikonfesy. Satria ao amin’ny litorjian’ny fanamasinana dia ambaran’ny Eveka hoe “... hamela fahotana amin’ny anaran’i Kristy sy ny Eglizy amin’ny sakramentan’ny fivalozana... ianao”. Koa izay rehefa heverin’ny Eveka fa azo hamasinina ho Pretra dia afaka mampikonfesy ihany koa. Misy anefa ny atao hoe “péchés réservés” ka misy ihany koa ny Pretra tsy mahazo alàlana hampikonfesy olona sasantsasany toy ny Relijiozy vavy ...
  1. Afaka mampikôfesy kristianina tsy katôlika ve ny pretra katôlika?
Tsy mino ny Konfesy ho Sakramenta ny kristianina tsy katolika. Fa raha ohatra ka tonga manatona ny Pretra izy mba hitantara ny fahotany sy ny olam-piainany dia hahazo toro-hevitra. Tso-drano no omena an’ireny olona ireny fa tsy famelan-keloka.