Fanolorana

Fanolorana

Misy articles maro ho hitanao ato.
Fa izao : vakio tsara ny fanolorana isaky ny sokajin-dahatsoratra. Misy fomba fijery maro samihafa omena anao ato. Fomba fijeriko manokana ireo niainga tamin'ny famolavolan'ny fiainana ahy.
Matetika aho no maneho amin'ny fomba tsy dia katolika loatra ny fahitako ny Fiangonako. Aza gaga ianao fa izany no "fahafahana".

Anjaranao ny mamakafaka ka maka izay tsara faka ka mety hipaka amin'ny fiainanao.

mercredi 12 mars 2014

Tsy afaka mitia intsony aho,

Tsy afaka mitia intsony aho,
Fa na ny foko, na ny saiko, na ny heriko rehetra
Dia misoratra tsy fidiny ny anaranao malalako,
Nokosehikomihintsy, nokikisako amboletra
Saingy nionona indrisy rehefa reraka ny tanako.

Tsy afaka mitia intsony aho,
Fa ny fiainako tontolo, ny tontoloko ambogadiny
Dia ny fofonao irery no mbamanitra iainany
Dia io fofonao io no mba hanitra asongadiny
Ka na manitra na maimbo dia izay no fofon’ainany

Tsy afaka mitia intsony aho,
Fa ny sariko rehetra, misy anao daholo, feno koa ny sarinao
Dia misoratra eo ambaniny ny anaram-bositrao
Izay nohezahiko nalaina, nosoloiko anaran-kafa
Saingy nofy ihany zany fa mitranga izay voafafa.

Tsy afaka mitia intsony aho,
Fa na ny fidoboky ny foko eny an-dalana alehako
Dia toa antso mafy be mampiherika ny tenako,
Ka ny olona mahita, mifanena manatsafa
No manaitra ny adalako ka heveriko mandatsa.

Tsy afaka mitia intsony aho,
Fa na ny vetson-kira mba fiventiko aza, tononkalo mba fiantsako
Dia tsy misy tonony tadidiko fa ny anaranao no rimany
Dia ny anaranao koa no tononkira mitarika ny dihany.
Ka na hihira aza aho dia voaantsako amizao nyhirahira fihiranao.

Tsy afaka mitia intsony aho,
Fa eny an-dalako eny dia ny endrikao no salotra fahitako
Ny famindra-tongotrao no famindra itotonako
Ka ny jado-tongotrao lasa avona eo alohako
Mandatsa ny fitiavako, mampivadika ny lohako.

Ka tsy afaka mitia intsony aho, 
Fa na dia miezaka aza efa ravarava taminao.

Clarys 2012

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire