'Ndao ary zatsy izy.
PETITES QUESTIONS DE FOI
- Fa maninona no misy Fiangonana maro
be eto amintsika ? Ao ny katolika, ao ny protestanta, ao ny sekta?
Ny Fanirian’i Kristy dia ho Tokana ihany ny Fiangonana misy ireo
mpanara-dia Azy (Kristianina) araka ny voalazan’ny Evanjelin’i Md Joany 17,
20-21. Nefa, noho ny tsy fitovian’ny fisainan’ny olombelona dia misy olona sahy
manorina fiangonana hafa. Izay no antony mampisy fiangonana marobe. Ny tena
ratsy dia miady sy mifanenjika ny Kristianina sasany. Nefa Fitiavana no didy
nomen’i Jesoa antsika. Efa misy ezaka tsara imasoana amin’izao ao amin’ny
F.F.K.M. (eto Mad/kara) sy ny Okomenisma any Andafy mba hiverenan’ny Finoana
iombonana indray ka ivavahantsika mba ho tanteraka izany.
- Fa maninona no Andriamanitra tokana
no ivavahana?
Io Andriamanitra tokana io no tena tsara araka ny finoan’ny Jody, Silamo,
Kristianina. Fa manahirana ny fivavahana amin’ny andriamanitra maro toy : ny
andriamanitra varatra, orana, ranomasina, hatsaran-tarehy, ... Ny Andriamanitra
tokana no mahefa, mahavita ny zavatra rehetra sy mahery kokoa noho ny
andrimanitra maro satria ny andriamanitra varatra dia handoro sy hamono fotsiny
no vitany fa tsy mahay manome ny soa. Ny andriamanitra hatsaran-tarehy dia ho
an’ny olona tia pozipozy sy jejojejo fotsiny no vitany fa tsy mahay manasitrana
na manome ny Fanahy Masina. Voafetra ny asan’ny andriamanitra tsirairay ao
amin’ny fivavahana misy andriamanitra maro.
- Maninona ny Andriamanitry ny Katolika
no atao hoe Tokana fa Olona Telo?
Tsy an’ny Katolika ihany io Andriamanitra Tokana Olona telo (Ray, Zanaka,
Fanahy Masina) io fa an’ny Kristianina (mpanara-dia an’i Kristy) rehetra. Izay
no mampiavaka azy amin’ny Jody sy ny Silamo.
- Azo atao ve ny lamesa tsy misy hira?
Tena azo atao. Tsara ny lamesa aty Madagasikara fa sahirana mitady hira
hatao amin’ny lamesa isika na dia roa na telo fotsiny. Tsara koa ny lamesa
tononina fa manampy amin’ny fandinihana (méditation) sy fohy kokoa. Ilaina
foana anefa ny mihira satria “ny mihira hono dia mivavaka in-droa”.
- Afaka manao lamesa ve raha Mompera
iray fotsiny, tsy misy kristianina?
Ny tena tsara indrindra dia eo ny Mompera sy ny Kristianina. Ny Kristianina
ihany tsy misy Mompera dia tsy mahazo manao lamesa, fa fotoam-pivavahana no
atao. Taloha dia voadidy hanao lamesa isan’andro ny Mompera. Ka voatery manao
lamesa tsy misy mpanatrika izy ireo rehefa tsy misy kristianina. Misy anefa
ireo Mompera tsy afaka manao lamesa isan’andro satria sahirana, tsy
manam-potoana, manao voyage, gadra, ... ka noferana ho indray mandeha
isan-taona farafaharatsiny no tsy maintsy anaovan’ny Mompera lamesa. Ka na
mahita na tsy mahita Kristianina kosa izy amin’io dia tsy maninona fa afaka
manao lamesa ihany.
- Inona no antony tsy aneken’ny Papa ny
fanambadian’ny pretra?
Nanambady ny Apostoly sasany taloha. Ohatra i Md. Piera dia voalazan’ny
Evanjely fa nanana Rafozana (Lk 4, 38 – 39). Fa rehefa hitan’ny Fiangonana ny
olana sasantsasany momba ny fanambadian’ny Pretra sy ny Eveka (tsy tena
malalaka amin’ny fanompoana ny fiangonana izy ireo fa variana amin’ny
tokatranony...) dia nanapa-kevitra izy fa tsaratsara kokoa raha tsy manambady
ny Pretra. Ary tokony ho tadidintsika foana fa zanaky ny pretra daholo ny
kristianina tantaniny.
- Inona no fianarana atao vao tonga
pretra?
Ny filozofia sy teolojia no tena fototra. Ilaina koa anefa raha mandalina
ny pastoraly sy ny psikolojia, ny sosiolojia, ny ekonomia ... ilay seminarista
mba tsy hitsanga-menatra eo anatrehan’ny Kristianina manatona azy.
- Fa maninona no manao rakitra
isan-kalahady kanefa ny masera sy ny mopera tsy mba manao rakitra?
Tokony hanao rakitra ny mpivavaka rehetra fa misy faritra sasany mety
hahitantsika fa tsy manao rakitra ny mompera sy ny masera. Tsy fantatra ny
antony. Efa misy masera sasantsasany anefa manao rakitra ao an-deglizy. Fa
rehefa mamonjy an’ireny Fivavahana firaisam-pinoana ireny isika dia hahita fa
manao rakitra izy ireo. Fandraisan’anjaran’ny kristianina amin’ny fandaminana sy
ny fandaniana ao amin’ny fiangonana iray no antony anaovana rakitra. Fanomezana
ho an’Andriamanitra no ilazantsika sy andinihantsika azy.
- Maninona ny fivavahana katolika no
tsy mba misy fiovana fa toa lasa fomba fotsiny (hira fidirana, fifonana,
vakiteny...)
Misy roa ny litorjia katolika malaza : ny iray atao hoe : “Rite latin” dia
ny arahintsika katolika aty Madagasikara ary ny iray dia “Rite byzantin” hita
ataon’ireo katolika any Bulgarie, Moscou, ... Mivelona amin’izany litorjia roa
izany ny Katolika eran-tany izay antsoin’i Papa Joany Paoly faha-2 hoe “deux
poumons”. Efa heno koa izao fa manana ny Rite manokana ho azy ny Kongolé, nefa
mbola tsy malaza.
- Maninona no tsy maintsy mikôfesy vao
mandray komonio, kanefa ny komonio dia natao indrindra ho an’ny mpanota te
hibebaka?
Tena marina ny teninao hoe natao ho an’ny mpanota te hibebaka ny komonio.
Fa tsy ny komonio no sakramenta ibebahany fa ny konfesy. Ilaina ho madio sy
mendrika ny olona vao mandray komonio. Ka raha ohatra tsy nanao fahotana izy taorin’ny
konfesy farany nataony dia tsy voatery hikonfesy vao ho afaka mandray komonio.
Hoy i Md Paoly hoe “mihinana fanamelohana izay mihinana komonio tsy
am-pahamendrehana”.
- Maninona no atao hoe “mofo tsy misy
lalivay”?
Lafarinina tsy mifangaro lalivay (lévure) no anamboara ny komonio mba
hampaharitra ny fitahirizana azy. Andrana efa natao tamin’ny andron’ny Jody
izany mofo tsy misy lalivay izany fa tena naharitra tokoa ho an’ireo mpandeha
na mpifindra monina. Heverina ho fandalovana koa ny eto an-tany ho an’ny
Kristianina ka mihinana mofo tsy misy lalivay izy.
- Maninona no misy fanasana tanana
ataon’ny pretra amin’ny lamesa kanefa tsy misy zavatra maloto raisina
akory?
Taloha dia eo amin’ny fotoanan’ny fanolorana vao omanina ny fitaovana
rehetra ilaina amin’ny sorona (mbola ampiasain’ireo Katolika mpanaraka ny Rite
byzantin izany). Ka mila sasana satria naloto ny tanana. Mbola notazonina izany
fomba izany hanehoana (symbolisme) fa mila tsy misy tsiny ny Mpisorona eo
am-panaovana ny Sorona. Mandritra ny fanasan’ny Pretra tanana eny amin’ny Otely
dia hoy izy “Sasao aho ry Tompo ho afaka heloka tanteraka (sady anidinana rano
ny tanany) ary diovy ho afaka amin’ny fahotako (fafana amin’ny lamba ny
tanany). (Jereo : Salamo 50, 4 sy F. V. p. 343).
- Maninona ny katolika no tsy mba manao
fanentanam-bahoaka ivelan’ny fiangonana sy ny katesizy?
Manao fanentanam-bahoaka tokoa ny katolika ivelan’ny fiangonana tahaka
ireny hoe dia masina na pélèrinage ireny na hoe ireny “procession” mamakivaky
tanana ireny rehefa amin’ny fotoana natokana ho amin’izany. Tsy fomban’ny (tsy
tradition) katolika kosa anefa ny mitory teny eny ankalamanjana na eny
an-tsena. Tsotra ny antony satria heverina fa ny fandraisana ny Vaovao Mahafaly
dia mila toerana mangina sy tony fa Andriamanitra tsy re ao anaty tabataba.
- Vidiana ve ny komonio sy ny divay?
Izany ve no anaovana rakitra?
Vidiana tokoa ny Hostia manjary komonio sy ny divay satria vokatra toy ny
sakafo rehetra. Matetika dia any Fianarantsoa sy Antananarivo no fividianana ny
hostia. Azo anaovana lamesa rehefa divay azo avy amin’ny voaloboka (ihany) toy
ny Lazan’ny Betsileo, Blanc de Manamisoa, Côte de Fianar. (fa tsy punch avy
amin’ny voanio, na toaka avy amin’ny kily sy ny lamonty). Isan’ny anton’ny anaovana rakitra noho izany
ny fividianana azy.
- Fa maninona ny kristianina no asaina
mamelona ny pretra kanefa ny pretra manana noho ny kristianina?
Ny fiangonana dia an’ny kristianina. Ny pretra dia toy ny mpiasa fotsiny
ihany satria mandalo izy no eo fa ny kristianina mipetraka. Anjaran’ny kristianina
noho izany no manao izay mampandeha ny fiangonana, isan’izany ny famelomana ny
pretra. Ny pretra dia alefan’ny diosezy na ny fiangonana mba hamelombelona ny
fiainam-panahin’ny kristiana. Misy fanampiana omen’ny diosezy na ny fikambanana
kanefa voafetra ihany izany. Tokony ho ny kristianina noho izany no hiahy ny
fiainana andavan’andron’ny pretra araka izay ilainy sy zakan’ny fiangonana eo
an-toerana.
- Maninona no tsy mba vakiana ao
am-piangonana ny boky sasany ao amin’ny Baiboly?
Azo vakiana ao ampiangonana daholo rehefa ao amin’ny Baiboly saingy tsy ho
vita vaky daholo ny boky 72 sy ny Toko, ka tsy maintsy nosafidianina izay mety
ho mora azon’ny tsirairay sy tena manampy ny finoana amin’ny andavanandro. Misy
boky tsy maintsy arahina fampianarina mihintsy vao azon’ny akamaroan’ny
kristianina ka ilàna fotoana manokana satria tsy vita eo amin’ny toriteny. Ny
anentanana ny kristianina dia ny hamonjy ny fandalinanm-pinoana izay azo
hanazavana ireny sy ny fampianaran’ny fiangonana.
- Maninona ny katolika no tsy mba
mitondra baiboly rehefa mivavaka?
Miankina amin’ny fahazaran’ny tsirairay ny fitondrana na tsy fitondrana ny
baiboly rehefa miangona. Misy ihany mpino katolika mitondra baiboly rehefa
mivavaka. Marihina ihany koa anefa fa ny vakiteny rehetra hovakiana ao
am-piangonana dia efa natao amin’ny boky manokana ka efa fantatra an-taona maro
mialoha. Ny anentanana ny isan-tokatrano dia ny hanana baiboly an-trano sy ny
mba hamaky izany miaraka na samirery.
- Divay toy inona no anaovana lamesa?
Tsy dia voafaritra hoe divay toy inona no anaovana ny lamesa ankoatry ny
hoe tsy maintsy vita amin’ny voaloboka. Misy ihany anefa kritika pratika tsy
maintsy tokony hotandremana toy ny hoe tokony tsy divay ambony be ny alikaola
ao aminy ary tsy nasiana akora simika hafa ivelan’ny mahadivay ny divay.
Isan’izany koa ny hoe tokony ho divay tsy miloko mena na manompy mena be loatra
satria mandoto ny lamba famaohana ny loko simika.
- Inona no asan’ny pretra ankoatry ny
lamesa?
Ray aman-dreny ny Pretra ka mpisorona, mpampianatra, mpanoro hevitra,
mpanabe, mpandamina, mpamelona, mpanentana, ... no ataony. Diso kosa anefa ny
mieritreritra fa lasa tahaka ny lakile “passe par tout” ny pretra.
- Inona no antony ananganan’ny pretra
tanana rehefa miteny eny amin’ny otely?
Amin’ny vavaka ihany ny Pretra no manangan-tanana fa tsy amin’ny toriteny
na filazana ... Ny dikan’izany fananganan-tanana amin’izany vavaka izany dia
famantarana ny fitalahoana, fangatahana, fisolohoana ... Jereontsika ao amin’ny
Eksaody 17, 8 – 13 : “Raha nasandratr’i Moizy ny tanany dia i Israely no
nahery”. Manambara fangatahana hery avy amin’Andriamanitra ny fanandratana ny
tanana. Misy koa ny Pretra manandra-tanana toy ny olona mifantsika amin’ny hazo
fijaliana. Endrik’i Jesoa (persona Kristy) nijaly sy maty teo ambony Hazo
fijaliana, mitondra ny fijalian’ny olombelona any amin’Andriamanitra ny Pretra.
- Maninona no hasarotina (be
pitsopitsony) ny fandraisana ny olona amin’ny sakramenta, indrindra ny
batemy sy ny mariazy?
Mety ho misy tokoa ny Pretra na mpiandraikitra ny Sakramenta
manasaro-javatra. Mety ho misy antony izany : tsy mazoto mivavaka alahady, na
tsy mandray adidy ao am-piangonana. Fa
ny tena ilaina dia ny hoe voaomana tsara ara-pinoana sy manam-pinoana
handray ilay sakramenta ve ilay olona? Misy kosa anefa ny taratasy na dossiers
tsy maintsy ilaina amin’ny Sakramenta iray. Moa ve ho lazaina hoe sarotiny ilay
Pretra raha toa ka tsy misy ny “Acte de baptême” rehefa hanao mariazy izy
mivady?
- Sakramenta ambony indrindra ve ny
“filaharana” sa mitovy lanja amin’ny “mariazy”?
Amin’ny sakramenta dia tsy misy ambony sy ambany. Na ny filaharana na ny
mariazy dia sakramenta samy iantsona ny olona hiaina ny fahamasinana.
Mampiavaka ny pretra anefa ny maha-mpisoron’ny Avo Indrindra azy satria
fanomezam-pahasoavana manokana izany. Ao aminy manko no tanterahin’i Jesoa
Kristy ny fisiany. Ny mampiavaka ny filaharana ihany koa dia noho ny hevitra
omena ny “célibat” ao aminy. Mifanohitra amin’ny natiora manko izany ka ilàna
olona voatokana sy vonona hanokana ny tenany sy ny filàn’ny nofony hitodika
amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fiangonana. Samy ady sarotra na ny
manaja vady tokana ho an’ny mpivady ao amin’ny mariazy na ny manaja ny selibà
ho an’ny pretra.
- Tsy maintsy lehilahy ve vao mety ho
pretra?
Hatramin’izao aloha ny fahazaran’ny fiangonana (tradition) Katolika dia
mamaritra hatrany fa ny lehilahy ihany no afaka miofana ho pretra na dia efa
betsaka aza ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny vehivavy ho pretra. Misy Pretra,
na Eveka ny vehivavy any amin’ny Fiangonana Anglikana. Misy mahatsara azy izany
fa misy olana ihany koa. Mety hisy vehivavy mahay teolojia sy afaka mampiofana
amin’ny sakramenta na mahay manazava evanjely mihoatra noho ny Pretra. Fa ny
lehilahy no tsara hatao Mpisorona.
- Maninona no misy fikambanan-drelijiozy
isan-karazany kanefa matetika mitovitovy daholo ny ataony : mampianatra,
mitaiza kamboty...?
Fanomezam-pahasoavana manokana ny fiainan-drelijiozy. Tsy ny asa ataony no
mamaritra ny maha izy azy fa ny fikatsaham-pahamasinana atao miankina amin’ny
fototra nanorenana azy. Tsara aza fa maro ny
fikambanan-drelijiozy miorina mba ho maro ny mpanokan-tena ho selibatera
noho ny fahasoavana manokana azo aminy.
- Inona no fianarana manokana ataon’ny
vehivavy vao tonga masera?
Tsy dia misy fianarana manokana tena atao fa miankina amin’ny fikambanana
tsirairay. Ao ny fampahafantarana ny momba ny fikambanana, ao ny fampianarana
momba ny fiainam-pinoan’ireo modely tokony iainana. Fa ny tena betsaka dia ny
fianarana an’i Jesoa Kristy sy ny finoana. Na izany aza anefa dia misy fotoana
angatahin’ny fiangonana tsy maintsy vitaina raha fohy indrindra vao aroso ho
masera ny tanora iray. Ampianarina azy ireo amin’izany ny fomba fiainana ny
tokan-tena (célibat) ao anatin’ny finoana sy ny fivavahana.
- Ny otely koa ve vatan’i Kristy?
Kristy tokoa ny otely. Araka ny voalazan’ny fampianaran’ny fiangonana dia
sady Mpisorona no Otely anaovan-tsorona ary Zanak’ondry atao sorona i Jesoa
Kristy (Jereo Boky fanaovan-damesa Prefasy Paka 5). Satria tsy misy olombelona mendrika
ny iray amin’ireo afa tsy izy irery ihany.
- Maninona no atao hoe “zanak’ondrin’Andriamanitra”
fa tsy natao zanaka biby hafa?
Manahirana tokoa izy io amin’ny tany sasany fady ondry toy ny faritra vezo.
Ny ondry anefa no biby fiompy nalaza amin’ireo Israelita, fanaovana sorona
(Inona ny biby nasolon’i Abrahama an’i Isaaka rehefa ho natao sorona ity
farany?), biby bonaika, tsy ahitana fitarainana loatra ny ondry. Toy izany i
Kristy tamin’ny andro nanolorana azy hatao Sorona ho famonjena antsika.
- Tena marina ve fa ny evanjely efatra
ihany no milaza ny marina ny amin’ny fiainan’i Jesoa?
Ireo no ahitana porofo mivaingana, niara-niaina tamin’i Jesoa. Marina fa
misy ireo antsoina hoe “Apocryphe” izay boky mitantara ny fiainan’i Jesoa
saingy tsy mitondra fanamafisana ny finoana ho antsika fa mitantara fotsiny ny
zava-nisy tamin’izany.
- Maninona no tsy misy lamesa rehefa
firaisam-pinoana?
Mbola misy tsy fitovizana fomba fijery ao amin’ny samy finoana. Ohatra, ny
Katolika mandray isaky ny misy lamesa fa ny F.L.M. mandray isam-bolana ihany.
Ohatra koa ny hoe tsy mitovy ny finoana ny mofo sy ny divay ho vatana sy ran’i
Kristy. Ho antsika katolika dia tsy maintsy mofo tsy misy lalivay sy divay (azo
avy amin’ny voaloboka) no hanaovana lamesa fa ho an’ny sasany azo soloina
bisiky sy ranom-boankazo hafa.
- Midika inona marina ny lokon’ny
akanjon’ny pretra?
Fotsy ampiasaina amin’ny Fety Noely sy Paka ary fankalazana ny Olomasina.
Mena ampiasaina amin’ny Firaisam-pinoana (satria tsy manana loko hafa ny
Pastora), Sampakazo, Pantekoty, amin’ny fankalazana ny Martiry. Maitso
ampiasaina amin’ny andavanandro. Volom-parasy : ampiasaina amin’ny Fiaviana sy
Karemy, fandevenana.
- Mitovy ve ny manatrika lamesa amin’ny
televiziona sy ny any ankalamanjana kanefa sur “écran-géant”? Izany hoe
manatrika ny lamesa saingy lavitra ka voatery mijery écrant géant?
Tsy mitovy na dia samy vavaka aza. Tsy mandray komonio, tsy mahazo
tso-drano mivantana ny mijery lamesa amin’ny televiziona any an-trano. Ary
tsara foana ny hilazana fa ny tena zava-dehibe amin’ny lamesa katolika dia ilay
fiombonana (miaraka mihira, mitsangana, miara-mamaly ny vavaky ny pretra...)
indrindra.
- Mety ve raha ohatra ka mamaky
vakiteny fotsiny dia mandray komonio ny kristianina andavanandro?
Raha tsy misy Pretra eo an-toerana, nefa misy olona nahazo fahefaha avy
amin’ny Pretra hamapandray komonio dia azo atao ny mamaky ny
Tenin’Andriamanitra avy eo manao ny Rainay any an-danitra dia tohizana amin’ny
fandraisana komonio.
- Aiza ao amin’ny tenin’ny Jesoa ao
amin’ny Baiboly no misy ny teny hoe “Lamesa”?
Ny teny hoe Lamesa dia avy amin’ny teny frantsay La messe, izay avy amin’ny
tenin’ny Diakra hoe : “Acta missa, ite in pace” izay adikantsika Malagasy hoe
“Vita ny natao, mandehana am-piadanana” fa nosoloantsika hoe : Hitantana ny diantsika
anie i Kristy, any amin’ny faran’ny lamesa. Ka io “Missa” io no tadidy dia
raikitra ho anaran’ny lamesa. Amin’ny teny frantsay dia hazavaina toy izao :
“Acta missa, ite in pace” se traduit par “Ce qu’on avait à faire est accompli,
allez en paix”. A partir du VIème Siècle “Missa est” ( l’action est accomplie),
est attestée comme formule de renvoi. Aujourd’hui, le participe missa est
devenu un nom commun : la messe. Noho izany tsy hita ao anatin’ny Baiboly ny
teny hoe : Lamesa.
- Maninona no amin’ny Paka ihany no
misy fanasan-tongotra?
Amin’ny Alakamisy masina no marina kokoa, ho fahatsiarovana ny nanasan’i
Jeso ny tongotry ny Apostoly. (Jereo Ev. Joany 13, 5 – 11) Fa azontsika atao ny
manasa tongotra isan’andro, indrindra rehefa maloto io tongotra io, ho
fitandroana ny fahasalamana sy tsy hahamenatra olona.
- Misy dikany amin’ny finoana ve ny
hilazana fa teraka tany an-tranon’omby i Jesoa fa tsy tahaka ny
zanak’olom-belona rehetra?
Ny fahantrana, fanetren-tenan’Ilay Zanaka’Andriamanitra hatrany amboalohany
vao teraka ka hatramin’ny fahafatesany no ambara amin’ny fahaterahany tao
antranon’omby sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazofijaliana.
- Tamin’ny fotoana inona sy inona avy
no nahatonga ny fiangonana hamaritra ny “Izaho mino”?
Nisy voalohany ny atao hoe : symbole des Apôtres tamin’ny taonjato faha-2
sy nohatsaraina tamin’ny taonjato faha-6.
Nanarakaraka azy ny symbole de Nicée izay vokatry ny Konsily tao Nicée any
Asie-Mineure tamin’ny taona 325 mba ho fanoherana ny hevi-dison’i Arius izay
milaza fa tsy Andriamanitra i Jesoa. Nanamafy izany ny Konsily tany
Constantinople tamin’ny taona 381 ka nilaza fa Andriamanitra koa ny Fanahy
Masina. Izany no nahazoana ny anarany hoe : symbole de Nicée-Constantinople.
- Maninona ny lahika no tsy mba
ampianarina ny teolojia na tsy hanao pretra aza?
Afaka mianatra teolojia tokoa ny lahika na tsy ho pretra aza. Misy toerana
natao ampianarana azy ireo. Matetika anefa dia vitsy ny lahika katolika mifidy
io sampam-painarana io satria tsy hahitana asa izany. Eto amintsika koa mbola
tsy eken’ny fanjakana ho diplôma eny amin’ny onivesité izany. Izany no
mahatonga ny lahika tsy hanao io sampam-pianarana io.
- Rehefa manao ahoana no atao hoe
matotra ara-pinoana ny kristianina ka afaka mampianatra katesizy?
Rehefa nahavita ny fiofana amin’ny Sakramentan’ny Batemy, Komonio, Konfesy,
Fankaherezana ny olona iray dia irahin’ny Eveka ataony hoe : “Homba anao anie
ny Fiadanana”. Teny fanirahana hampita ny Finoana amin’ny fianakaviana, zanaka,
namana, mpianatra katesizy io. Noho izany efa matotra ara-pinoana ianao ary
mahazo mampianatra katesizy ianao rehefa nahazo an’ireo sakramenta fototra
ireo.
- Tokony hanao fisitahana masina ve ny
kristianina?
Ny fisitahana masina dia natao ho an’ny kristianina rehetra te hifandray
bebekokoa amin’Andriamanitra. Tsy maintsy miala amin’ny fanao andavanandro
anefa izany mitady an’Andriamanitra manokana izany. Mamelombelona ny finoana sy
ny fifankahazoana amin’Andriamanitra ny fanaovana izany ka anentanana foana ny
kristianina rehetra. Tsy voatery hisy fandaniana be vao mahavita fisitahana
masina. Afaka maka mpitarika relijiozy, pretra na lahika ihany koa. Raha tsy
manana fotoana dia matetika alohan’ny fotoan-dehibe eo amin’ny fiainana no
hanaovana izany : na fiainan’ny fiangonana na fiainana andavanandro.
- Inona sy inona no ilaina vao
olomasina ny olona iray? Ary maninona no tsy maintsy rehefa maty ihany vao
mety ho olomasina?
Tsy maintsy aorian’ny fahafatesana tokoa vao azo eritreretina ho
olotsambatra aloha ny olona iray. Raha mbola velona manko izy dia mety mbola
hisy fitrangan-javatra hafa eo amin’ny fiainana mety hampisalasala. Mety hiova
tampoka koa ny fomba fiainany ka hanafitohina ny olona.
Isan’ny jerena amin’ny fiainan’ny olona eritreretina tokony ho olotsambatra
sy olomasina ny fomba fiainany
ara-pinoana sy andavanandro raha mifanaraka ny mahakristianina ka azo atao
modely. Jerena toy izany koa ny firehan-keviny (indrindra raha nanoratra izy na
nampianatra) sao mifanohitra amin’ny fijerin’ny Fiangonana. Raha ny marina dia
tokony ho modely izy ho an’ny kristianina amin’ny lafiny rehetra.
Mbola angatahina fahagagana tsy azon’ny siansa hazavaina ary izy amin’izany
satria ny fahagagana toy izany dia heverin’ny fiangonana fa avy
amin’Andriamanitra irery ihany. Ka ny kristianina rehetra dia entanina
hangataka fahagagana amin’izany olona izany rehefa mivavaka.
- Inona sy inona no zavatra andrasana
vao ekena ampahibemaso fa niseho marina i Masina Maria?
Ny fiangonana dia tsy mitady porofo ivelan’ny fiombonana raha misy
sehon-javatra toy izany. Izany hoe raha misy lazaina fa fisehoana dia
andrasan’ny fiangonana an-taonany maro vao lazainy fa azo ekena izany.
Andrasany amin’izany ny hafanam-pon’ny kristianina mamonjy ilay toerana na
manatanteraka izay voalazan’ny fisehoana : manao pelerinazy na mandeha mivavaka
eny. Ao anatin’izany koa ny hoe misy fahagagana tsy voazava ara-tsiansa miseho
noho ny fanatontosana fangatahana na fivavahana tamin’io toerana io.
- Maninona no i Masina Maria foana no
lazaina fa miseho?
Izy no malaza ho mpiseho. Mba miseho amin’ny nofy koa ry Dadabe sy Rafotsy
nefa vetivety dia hadino ny fisehoany sy hafatra navelany. Fa ny an’i Masina
Maria kosa dia tena mandaitra amin’ny fiainana andavanandro ny hafatra
navelany. Io hafatra napetrany io no tena zava-dehibe. Misy toerana sasany izay
lazaina hoe nisehoan’i Masina Maria, nefa tsy nisy hafatra nolazainy dia
mihalefy ho azy ny herim-pon’ny olona izay mandeha any.
- Mivavaka tahaka ny sekta ny
karismatika katolika, fa maninona?
Mila jerena akaiky tokoa hoe mitovy ve ny fivavahana ataon’izy ireo, ary
jerena koa ny lafitsarany. Raha mitondra ainga vao ho an’ny finoana ny fomba
fivavaka dia ataoko fa tsy lavin’Andriamanitra ny vavaka atao amin’izany.
- Inona no sazy omena izay meloka ao
amin’ny fiangonana?
Voalohany indrindra dia ny famelan-keloka no fahasoavana omen’Andriamanitra
antsika. Rehefa manizingizina tsy handray izany famelan-keloka izany isika vao
mety hisy ny fanamelohana raha misy hadisoana natao. Ny “droit canon” no
mamaritra izany.
- Eken’ny fiangonana katolika ve raha
manambady olona hafa finoana ny katolika? Sekta ohatra? Inona no
zava-mitranga?
Tsy raran’ny Fiangonana katolika velively ny fifankatiavan’ny olona. Ny
tadiaviny aza dia ny tsy hisarahana fa izany no venti-kevitry ny Sakramentan’ny
Mariazy. Koa mba ho fiarovana an’izany dia mampitandrina sy mailo ny fiangonana
raha manambady hafa finoana ny zanany. Sao dia hisy ady, fifanenjehana
ara-pinoana ao an-tokantrano raha toa ka tsy mitovy hevitra sy finoana ny
mpivady.
- An’iza marina ny fiangonana : an’ny
pretra sy ny relijiozy ve sa an’ny kristianina.
Kristianina koa ny Pretra sy ny Relijiozy fa natao ho mpitarika an’ireo
Kristianina namany. Koa samy tompon’ny Fiangonana ny kristianina rehetra. Ny
fanontaniana dia mety ho azo adika hoe : inona no hatao raha tsy
mifanara-kevitra ny Pretra sy ny Relijiozy, ny Komitim-piangonana ary ny laika
ao amin’ny Fiangonana? Ny voalohany dia tadiavina ny olana mitranga. Dia
iarahana mamaha. Ny Eveka no itadiavana vahavaolana farany raha tsy mety vita
ny adihevitra.
- Raha mamo (efa miboredika) ny pretra
manolotra sorona, misy dikany ve ny sorona ataony?
Enga anie mba tsy hisy izany. Aleo avela hiala sasatra izy raha mamo,
heverina ho toy ny olona tsy salama rehetra. Mety hisy ny Pretra sasany
hihevi-tena fa afaka manao lamesa, nefa hita eny antenantenany eny fa manao
“crise” izy (crise cardiaque, jamba tampoka, fanina, mamo ...) dia esorina eny
ambony Otely izy mba tsy hanafintohina ny Kristianina. Itadiavana vahaolana
hafa raha izany no mitranga, mba tsy ho tonga amin’ny hoe “misy dikany ve ny
sorona ataony”.
- Azo atao ve ny mivavaka any amin’ny
fiangonana hafa ankoatry ny katolika rehefa alahady, noely, na paka?
Raha tena ka tsy afa-manoatra mihintsy dia azo atao ny miditra
miara-mivavaka amin’ny fiangonana hafa. Entanina anefa mba ho ny fiangonana
iray fiombonana amin’ny katolika dia ny ao amin’ny FFKM (FLM, EEM, FJKM) aloha
izany hatramin’izao. Fady ho an’ny katolika kosa ary tena tsy azo atao ny
miditra amin’ny fiangonana antsoina fa “secte”.
- Mitovy lanja amin’ny mariazy ve ny
voadin’ny relijiozy?
Tsara azavaina fa ny voadin’ny relijiozy dia tsy sakramenta. Noho izany tsy
manana ny lanjan’ny mariazy. Kanefa kosa amin’ny maha samy “engagement” ireo
fomba roa ireo dia samy manana ny lanjany izy satria samy antsoina ho amin’ny
fahamasinana na ny relijiozy selibatera na ny mpivady nanaiky hifanaja eo
anatrehan’ny Fiangonana sy Andriamanitra.
- Afaka mandray any amin’ny protestanta
ve ny katolika
Tsy amporisihina hanao izany ny katolika satria tsy mitovy ny fomba fijery
ara-teolojika amin’io lafiny fiovan’ny mofo sy ny divay ho tena vatan’i Jesoa
Kristy io. Transsubstanciation no fiantsoana izany amin’ny fiteny teolojika ao
amin’ny katolika.
- Afaka mandray komonio amin’ny
katolika ve ny ao amin’ny FFKM?
Tsy afaka mandray komonio amin’ny katolika na iza na iza izy rehefa tsy
vita komonio voalohany tao amin’ny katolika ka manaiky marina ny fiovan’ny mofo
sy divay ho tena vatan’i Kristy fa tsy sarisary fotsiny.
- Tena noharian’Andriamanitra tao
anatin’ny fito (7) andro tokoa ve izao tontolo izao sa fomba fiteny
fotsiny?
Tsy boky siansa ny Baiboly fa literatiora. Manana ny fomba filazany zavatra
miavaka amin’ny siansa ny literatiora. Ka tsy holazaina hoe tsy tena nisy
marina ny fahariana ao anatin’ny fito andro satria tsy azo porofoina. Raha
mahita isika ao amin’ny Baiboly (Salamo 90 (89), 4) hoe “ Fa eo imasonao, ny
arivo taona, dia tahaka ny andro omaly” dia hilaza hoe tsy voafetran’ny fotoana
Andriamanitra. Mety hoe : 7 x 1.000 taona no nahariany an’izao tontolo izao. Ny
siansa dia milaza fa manaraka fivoarana ny fisian’izao tontolo izao ka ny
olombelona no zava-baovao farany hatramin’izao. Mitovy amin’ny filazan’ny
Baiboly ihany koa izany.
- Maninona no misy fifonana alohan’ny
vakiteny ary misy fifonana alohan’ny komonio?
Satria heverina fa alohan’ny hihainoana ny tenin’Andriamanitra dia mila
fahavonona sy fahadiovam-po, toy izany tsisy hafa koa ny alohan’ny komonio.
Satria fandraisana an’Andriamanitra ireo fa ny iray Izy amin’ny Teny ary ny
iray Izy amin’ny Vatana.
- Tsy maintsy ny hira fidirana sy ny
hira farany ve vao manomboka sy vita ny lamesa?
Hatramin’izao aloha dia tsy mbola misy endrika litorjia hafa ankoatr’izany
ao amin’ny fiangonana. Azo atao anefa rehefa vitsy loatra ny olona na noho ny
antony hafa (tsy misy mahay mihira ny olona vitsivitsy tonga manatrika) dia
foanana ny hira rehetra fa tsy ny hira fidirana sy hira farany fotsiny.
- Azon’ny pretra atao ve ny mitarika
lamesa tsy misy “étole” na tsy misy rebareba?
Ny Teny farantsay manao hoe “L’habit ne fait pas le moine”. Nefa mba
hahatsara zavatra dia ilaina ny Aube sy ny Etole. Nisy Pretra iray nanadino ny
kitapony rehefa nanao lamesa tany amin’ny tournée. Lasa niverina naka an’io
kitapo io ny stagiaire iray fa ny lamesa kosa dia natomboka. Ka rehefa tonga
izy dia niankajoan’ilay Pretra ny Aube sy ny Etole fa ny lamesa kosa notohizana
na dia efa misasaka, tonga amin’ny fotoanan’ny rakitra aza ny fivavahan’ny
Kristianina.
- Azon’ny lahika, frera (tsy diakra),
masera atao ve ny mitarika “absoute” tsy misy lamesa?
Ny “absoute” dia vavaka fanaovam-beloma ataon’ny velona ho an’ny maty ary
fangatahana amin’Andriamanitra mba handray ny mandeha. Matetika dia heverin’ny
olona tompom-pahoriana fa somary latsa-danja izany raha tsy ny pretra no manao
azy. Marihina anefa fa azon’ny rehetra atao ny “absoute” rehefa nahazo alalana
avy amin’ny pretra.
- Maninona ny anarana amin’ny batemy no
tsy maintsy amin’ny teny frantsay?
Tsy voatery ho anarana frantsay ny anarana amin’ny batemy fa misy
anaran’olona amin’ny batemy amin’ny teny samihafa (oh. Miguel (portugais) =
Michel (français) = Mickael (anglais) = Mikel ... Efa misy ireo ray aman-dreny
manao ny anara-masin’ny zanany ho RASOAMANARIVO raha vehivavy, efa ho azo atao
koa ny hoe RAFIRINGA raha lehilahy.
- Raha vohoka tsy nirina, ka tiana
alàna dia hatramin’ny ora fahafiry tao aorian’ny firaisana no atao hoe
manala zaza ny olona iray ho an’ny fiangonana?
Ho an’ny Fiangonana katolika dia lazaina fa efa olona ny ao ankibon-dreniny
na dia segaondra iray tao aorian’ny fitsahina aza. Ka noho izany dia sokajiana
manala zaza foana rehefa manao izany fomba mamohetra izany.
- Azo tapohina ve ny ranovoahasina ka
mijanona ny fahamasinany?
Raha azo atao dia atoroy ny Pretra sy ny Eveka ny rano mba ho hamasinina.
Fa raha tsy eo izy ireo nefa ho lany ny ranovoahasina dia tampohy, fa aoka mba
ho rano madio.
- Rehefa amin’ny fotoana inona no
mivadika ho zava-masina ny fitaovana ampiasaina ao am-piangonana?
Izay nohamasinina no manjary zava-masina. Izay natolotra ho
an’Andriamanitra dia heverina ho zava-masina avokoa. Koa satria ampiasaina ho
fanompoana an’Andriamanitra ireny dia heverintsika fa masina. Ny masina eto dia
tsy hoe “saint” fa “sacré”.
- Ahoana no nandaharana ny filaharan’ny
boky ao amin’ny Baiboly?
Mizara roa ny Baiboly : Testament taloha ( misy 46 boky) izay voasoratra
tao anatin’ny 2.000 taona talohan’i Jesoa sy Testamenta vaovao (misy 27 boky).
Ao amin’ny Testament taloha dia ahitana ny boky (5) dimin’i Moïzy, bokin’ny
tantara (16), bokin’ny fampianarana (7); (torohevitra sy ny anatra), bokin’ny
faminaniana (18). Ao amin’ny Testamenta vaovao (misy boky 27) izay voasoratra
tao anatin’ny 70 taona manaraka ny nahaterahan’i Jesoa Kristy no ahitana ny
Evanjely (4), ny Asan’ny Apostoly (1) Taratasin’ireo Apostoly (14 an’i Md
Paoly, 1 an’i Jakoba, 2 an’i Md Piera, 3 an’i Md Joany, 1 an’i Joda ary 1 ny
Apokalipsan’i Md Joany.
- Inona no nampiasain’ny kristianina
fony mbola tsy nisy ny baiboly?
Efa nisy talohan’ny finoana kristianina ny Baiboly. Nampiasa ny Testamenta
Taloha ny Jody tamin’ny andron’i Jesoa, na dia mbola tsy nisy Kristianina
tamin’izay. (Tadidio ny famakian’i Jesoa ny Bokin’i Izaia tao amin’ny Sinagoga
“Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo fa nanosotra ahy hitory Teny soa mahafaly ...”).
Fa ny Testamenta vaovao no mbola tsy nosoratana fa notorina ambava ny hafatra
nambaran’i Jesoa. Ary izay no tena nilaina : tsy nanoratra i Jesoa mba
hampitany ny Tenin’Andriamanitra, fa nihaino azy ny olona. Mora tadidin’ny
olona ny hafatra raha torina, fa mba tsy hahavery azy dia aleo nosoratana am-boky.
- Inona no ilàna ny “moine” sy ny
relijiozy “karmelita”?
Ny mpitoka-monina (izany no fiantso azy ireny) dia nanoka-tena hiala
amin’ny fiainana mahazatra ny olona an-davan’andro ka manaiky ny tsy hanao
zavatra afa tsy zavatra roa ihany dia ny miasa sy ny mivavaka. Ny asa ho azy
ireo dia manambara ny mahaolona; ny vavaka koa dia torak’izany ka atolony ho
an’ny olona rehetra eto an-tany ny vavaka ataony.
- Mitovy ve ny mandray hostie fotsiny
sy ny mandray divay fotsiny?
Mitovy tsy misy valaka ny mandray an’i Jesoa na amin’ny endriky ny mofo na
amin’ny endriky ny divay. Mora zaraina amin’ny olona kokoa anefa ny mofo raha
oharina amin’ny divay ka izany no mahatonga antsika hihinana ny mofo matetika.
Moramora vidy ihany koa ny mofo noho ny divay.
- Ambonimbony kokoa ve ny lamesa
atolotry ny eveka noho ny atolotry ny pretra?
Tsy misy lamesa ambony na ambany eo anatrehan’Andriamanitra. Eo amintsika
olombelona no mametraka izany. Ny eveka dia lehiben’ny pretra ary
solontenan’Andriamanitra mivantana satria mpiandry ondry eo amin’ny diosezy.
Tsy midika akory izany fa ambony kokoa noho ny lamesa atolotry ny pretra ny
lamesa atolony.
- Inona no dikan’ny lakolosy kely
velomina amin’ny fanandratana ny hostia sy ny divay?
Taloha araka ny tantaran’ny fiangonana dia misy maromaro ny efitra kely tao
am-piangonana nanaovan’ny pretra tsirairay lamesa. Tamin’ny teny latina ny
lamesa ary mbola tsy nitodika tamin’ny vahoaka ny pretra mpitarika fa
mimonomonona irery eo amin’ny hotely ka betsaka no tsy mahazo izany fa manao
vavaka irery eny am-pitoerana, samy maka ho azy : manao toko sapilé ohatra. Rehefa tonga eo amin’ny fankamasinana dia
velomina ny lakolosy kely mba hanairana ny olona fa fotoanan’ny fankamasinana
izao.
- Misy taonany na fepetra hafa ve ny pretra vao afaka mampikôfesy?
Amin’ny fotoanan’ny Ordination na fanamasinana no anomezan’ny Eveka ny
fahefa hampikonfesy. Satria ao amin’ny litorjian’ny fanamasinana dia ambaran’ny
Eveka hoe “... hamela fahotana amin’ny anaran’i Kristy sy ny Eglizy amin’ny
sakramentan’ny fivalozana... ianao”. Koa izay rehefa heverin’ny Eveka fa azo
hamasinina ho Pretra dia afaka mampikonfesy ihany koa. Misy anefa ny atao hoe
“péchés réservés” ka misy ihany koa ny Pretra tsy mahazo alàlana hampikonfesy
olona sasantsasany toy ny Relijiozy vavy ...
- Afaka mampikôfesy kristianina tsy
katôlika ve ny pretra katôlika?
Tsy mino ny Konfesy ho Sakramenta ny kristianina tsy katolika. Fa raha
ohatra ka tonga manatona ny Pretra izy mba hitantara ny fahotany sy ny
olam-piainany dia hahazo toro-hevitra. Tso-drano no omena an’ireny olona ireny
fa tsy famelan-keloka.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire