Fanolorana

Fanolorana

Misy articles maro ho hitanao ato.
Fa izao : vakio tsara ny fanolorana isaky ny sokajin-dahatsoratra. Misy fomba fijery maro samihafa omena anao ato. Fomba fijeriko manokana ireo niainga tamin'ny famolavolan'ny fiainana ahy.
Matetika aho no maneho amin'ny fomba tsy dia katolika loatra ny fahitako ny Fiangonako. Aza gaga ianao fa izany no "fahafahana".

Anjaranao ny mamakafaka ka maka izay tsara faka ka mety hipaka amin'ny fiainanao.

lundi 3 mars 2014

ARA-NOFO FOTSINY IHANY


« Nakipiko ny masoko teo ampahitana ny olon-tiako nanoroka olon-kafa aninkeho. »
Sendra mba nandalo aho ka tojo sy nahita ny oroka mafana nifanaovan’izy ireo,
Tsy hitako ny lalana, maizina ny andro, farina ny feo…
Fa nifamahofaho tao an-tsaina ny anton’ilay oroka : angamba izy leo…
Nefa vao omaly tontolo, tsisy fetra, tsisy isa ny ambony ambany vitanay,
Nifamadibadika am-pandriana, teo ambony seza indraindray,
Mila mandro kely dia namerina indray…
Omaly efa maty masoandro aza teo ambavahady
Avy niasa iny dia nanao ny fomban’ny mpivady.
Ny alina tontolo tsisy torimaso vita fa fitiavana no betsaka
Resi-tory kely, dia raikitra indray, tsy nisy hoe reraka…
Tena tia na izaho na izy, samy naka fy…
Saingy tsapako amizao fa hay izy tsy nitia.
Tsy nitia ahy mihintsy na iray minitra monja
Fa nanenjika isa fotsiny, nanala izay mafonja.
Rehefa ravany ny mamiko, voavetavetany ny amiko
Dia niova olon-kafa indray izy.
Iangaviko ianao raha mihaona aminy, lazao izy veloma hoy i Fara
Lazao azy marimarina fa tena nankafiziko na ny teny ambony seza na ny teny amparafara
Ary tsy mampaninona ahy na mbola hiverina izy androany
Fa tiako loatra izy ka tsisy miala izany.
Na dia fitia ara-nofo fotsiny ihany.
Lebota. 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire